FANTARO NY ANTENIMERAN’NY VAROTRA SY NY INDOSTRIA.

18556767_423584894663888_6915917072389189408_o

Ny 7 novambra 1896, ny arrêté laharana 100, no nametraka ny « CHAMBRE CONSULTATIVES FRANÇAISES À MADAGASCAR », mba azahoan’ireo Mpanjanaka nanana traikefa @ fandraharahàna, sy nahafantatra ny harena sy ny toekarena isaky ny faritany teto, nanoro làlana sy hevitra ny fitondràna t@ izany ny filàn’ny fihariankarena, na ny ara-barotra izany, na ny indostria, na ny fambolena na ny harena an-kibon’ny tany ihany koa.

Raha ny teto Antananarivo dia,
Ny 14 oktobra 1920, no nivoahan’ny arrêté namadika io « CHAMBRE CONSULTATIVE DE COMMERCE, D’INDUSTRIE ET D’AGRICULTURE DE TANANARIVE » io ho lasa « CHAMBRE DE COMMERCE, DE L’INDUSTRIE ET DE L’AGRICULTURE DE TANANARIVE ».
T@ taona 1961 kosa no nandraisan’ny malagasy voalohany ny fitantanana ny ANTENIMIERAN’NY VAROTRA, SY NY TAOZAVATRA ARY NY FAMBOLENA teto Antananarivo, ka Andriamatoa RAZANATSEHENO Henry no filoha voalohany t@ izay.
Ankehitriny, mbola mitohy manatsara ny tontolon’ny fandraharahana sy ny fihariankarena ny ANTENIMERAN’NY VAROTRA SY NY INDOSTRIA, ary koa manampy ireo mpandraharaha tsy an-kanavakasy mampahafantatra ny toe-pihariana misy eto..

Share on FacebookTweet about this on TwitterShare on LinkedIn