M. Rivo RAKOTONDRASANJY
Filohan’ny FIVMPAMA
Taona 2021 – 2023

Ry Mpandraharaha Malagasy, 

Tsy misy afa-tsy izaho sy ianao, ary isika miara-mientana no hanova ny làlana mitondra makany amin’ny tena fampandrosoana maharitra, isitrahan’ny daholobe eto amin’ny tanindrazantsika.

Na ny vinam-piarahamonina, na ny vinam-pampandrosoana ketrehina sy tanterahana eto amin’ny firenena dia tsy maintsy miori-paka amin’ny Mpandraharaha Malagasy, ary atao miaraka aminy.

Ny fisokafantsika amin’ny mpiara-miombonantoka sy ny mpampiasa vola avy any ivelany, dia fanoitra lehibe mampivelatra sy mampitombo ny traikefa sy ny ambaindain’ny fandraharahàna eto Madagasikara.

Sahia isika miatrika ny fanamby manova ny rafi-pamokarana ho fanatsaràna ny fiharian-karena ankapobeny.

Sahia miova ho Mpandraharaha Malagasy mivoatra manaraka ny taky ilain’izao tontolo izao.

Ho an’ny fiharian-karena mifototra amin’ny fitiavan-tanindrazana.

Iray Vina, Miray Hina, Fahombiazana!